Scroll down to view more content

Ahiahy sy fitarainana


Izahay dia manokan-tena hametraka ny fenitra ambony indrindra amin’ny etika fandraharahana sy ny fanajana ny zon’olom-belona sy ny tontolo iainana eo amin’ny fitantanana ny orinasanay araka izay voasoratra ao amin’ny Fitsipi-pitondrantena. Mitaky ny orinasa mpamatsy anay rehetra hanaraka izany fenitra izany ihany koa izahay.

Raha mihevitra ho mahita tsy fanarahana ny Fitsipi-pitondrantena ianao dia manorata aminay amin’ny alalan’ity pejy ity. Omeo anay ny ambangovangony momba ny olona na vondron’olona tsy nanara-dalàna, ny dingana noraisana amahana ilay olana, ary ny momba anao ahafahanay mifandray aminao, ao anatin’ny tsiambaratelo, mikasika ilay olana tanterinao. Raranay ny fanaovana valifaty mety hitranga noho ny tatitra nataonao.

 

Misaotra anao nitatitra ny fanahianao aty amin’ny Fruit of the Loom. Mijanona ho tsiambaratelo ny antotan-kevitra nomenao, ary raranay ny fanaovana valifaty mety hitranga noho ny tatitra nataonao. Raha nomenao ny antsipiriany ifandraisana aminao dia hanoratra aminao mikasika ny dingana manaraka izahay.